Mitohy ny fidinana eny anivon’ireo tsena eto an-dRenivohitra. Omaly, nitsidika ny tsenan’Andravoahangy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nojereny manokana ireo fotodrafitrasa sy ny fandrosoan’ny filaminana ary ny fahadiovan’ny tsena. Ankoatra izay, nitafa sy nihaino ny hetahetan’ny mpivarotra ihany koa ny tenany. Voaresaka tao ny mahakasika ny fanampiana jiro manazava ny tsena, fanavaozana ny tetezan-kazo ao anaty tsena, ny fangatahana fananganana trano fidiovana, fanaovana rarivato ireo lakandrano sasany, fanamboarana ny lalana. Etsy andaniny kosa, mitaky fandraisan’andraikitry ny mpivarotra ny ben’ny Tanàna amin’ny fanadiovana ny tsena, ny fandoavana ny haban-tsena, ny fifandaminana eo amin’ny samy mpivarotra. Mbola hitohy hatrany ny fitsidihan’ny ben’ny Tanàna ireo tsena eto an-dRenivohitra.
Vonjy