Fakana an-keriny: nitolo-batana i Dadah, naiditra am-ponja

Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana omaly, tao Ankazobe ilay dahalo ikoizana sy nampitondra faisana tao an-toerana. Nifam­pitadiavan’ny zandarimaria nandritra ny herintaona ity malaso ity ka izao tonga teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izao. “Voarohi­rohy amina trangana fakana an-keriny sy halatr’omby i Dadah. Malazabe eto an-toerana izy ka nokarohina hatry ny ela.”, hoy ny zandary. Nambarany fa isan’ireo nitory io jiolahy io ny fianakavian’ilay ben’ny Tanàn’Antaka­vana teo aloha. Natao takalon’aina io tompon’andraikitry ny tanàna io ary novonoina mihitsy. Ny talata teo, tonga teny amin’ny zandarimarian’ Ankazobe ilay malaso nitolo-batana ka nanokafana fana­dihadiana. Tsy nitondra na inona na inona ankoatra ny tenany izy. Teo no ho eo koa, natao famotorana ny lehilahy. Ankoatra izay, mbola voarohirohy ho nitazona basy sy bala tavela tao amin’ny bi­raon’ny kaominina koa i Dadah ny 29 jona, ny taona 2021. Fantatra ihany koa fa monina ao amin’ny fokontany Antaniditra, kaominina Anta­kavana izy. Nitohy ny fanadihadiana azy ary nalefa eny amin’ny fampanoavana taorian’izay.
Tsiahivina fa isan’ireo faritra mafana amin’ny asan-dahalo ihany koa ao Anjo­zorobe. Etsy ankilany, tsy mitaza-potsiny ny zava-misy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Araka izany, maro ireo olon-dratsy efa voasambotra, ao koa ireo lavo nandritra ny fifandonana. Tsy vitsy koa ireo efa migadra noho ny asa ratsy maro isan-karazany. Ao koa ireo mbola karohina fatratra.

Henintsoa Hani

Partager sur: