Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena Rabenandrasana Théophil, omaly. Nohamafisiny ny fivoahan’ny lalàna vaovao mikasika ny rafi-panabeazana eto Madagasikara. Efa nivoaka omaly ny naoty manamafy izany.
Arak’io lalàna io, halavaina ny fotoam-pianarana fanabeazana fototra. Ahemotra 6 taona izany raha toa ka 5 taona teo aloha. Maharitra telo taona kosa ny « sous-cycle » rehetra ao amin’ny fanabeazana fototra. Hisy ny tombanana arahina mari-pankasitrahana isaky ny faran’izany. Faharoa, tsy maintsy atao ny fanabeazana ankizikely sy ny kolejy. Izany hoe maharitra 10 taona ny fampianarana tsy maintsy atao eto Madagasikara.
Farany, hamafisina ny fanabeazana ireo zaza sy ankizy manana fahasembanana amin’ ny lafiny rehetra. Ankoatr’ izay, haharitra 10 volana ny fe-potoana hianaran’ny mpianatra ao anatin’ity rafitra vaovao ity. “Hampiharina miandalana io rafitra vaovao io satria fanamby lehibe izany ka tsy vita ao anatin’iray andro” hoy izy. Tanjona ny fametrahana fanabeazana mampiaty sy ara-kalitao ho an’ny rehetra eto Madagasikara.
Maimaim-poana ny saram-pisoratana anarana
Nohamafisiny fa maimaimpoana avokoa ny saram-pisoratana anarana ho an’ireo ankizy hanala ny fanadinam-panjakana sahanin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voakasik’izany ny fanadinana CEPE sy BEPC. “Anjaran’ny Ray aman-dreny ny miala vola amin’ny fikarakarana sy fanomanana ny antontan-taratasy rehetra amin’izany, toy ny sary tapaka sy ny kopia” hoy izy. Nohamafisiny fa tokony tsy hisy intsony ny fakana vola amin’ny mpianatra sy Ray aman-dreny eny anivon’ny sekoly sy ny fitsarana fanadinana tsirairay avy eny.
Tsiahivina fa efa misy ny zava-bita amin’ny fanavaozana ny rafi-panabeazana vaovao, hoy ny tompon’andraikitra. Toy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ho an’ny sekoly sy fanofanana ireo mpampianatra.
Mino (mpianatra asa)