Maro ireo olona traboina mbola tsy tafarina ny fiainany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Cheneso farany teo. Isan’ireo nitondra faisana tamin’izany ny faritra Atsinanana. Manoloana izany indrindra nidina tany amin’iny faritra iny ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, nitondra fanampiana sy nankahery ireo traboina, ny asabotsy teo. Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, lohalaharana ny fijerena ny lafiny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity, raha ny nambaran’ny minisitra. Vary milanja 8 taonina, savony, voamaina no nentina nanohanana ireto traboina ireto. Naneho fisaorana ny minisitry ny Fitsarana ny filoha lefitra avy ao amin’ny faritanin’i Toamasina, Irma Naharimamy. Taorian’izay, nisy ny dinikasa niarahan’ny minisitry ny Fitsarana sy ireo tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenoarivo Atsinanana.
J.C