Faritra Analamanga: voalohany Manjakandriana amin’ny famokarana

Manjakandriana, distrika voalohany amin’ny faritra Analamanga nahazo fanohanana voalohany ny tantsaha ao aminy mpiompy tantely. Mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ny tantsaha. Natolotry ny minisiteran’ny Indostria izany fitaovana izany, omaly.

Malaza amin’ny fiompiana tantely ny distrikan’i Manjakan­driana, misy ny 30 %-n’ny ala eto Analamanga, ohatra fotsiny ny ao amin’ny kaominina Anjepy sy Ambatolaona. Ma­nomboka izao tsy hisy distrika adino intsony avy amin’ny tetikasa Odof, hanodina ny vokatra ao aminy, mba tsy ny hanafarana vokatra avy any ivelany. Misy ny lalam-barotra lehibe hita any ivelany momba ny tantely. Miala ahodina ao an-toerana kosa ny vokatra hafa, toy ny karazana legioma. Tanjona ny mba ahavoatahiry tsy hanimba azy. Betsaka ny vokatra tsy lany ankehitriny, ka ariana fotsiny. “Marina fa nisy ozinina nanodina ronono sy fromazy teto Manajakandrina taloha fa olon-tokana no tompony fa izao kosa orinasa ho an’ny vahoaka no hatsangana”, hoy ny minisitra Razafindravahy Edgard.

Afaka telo herinandro ny fametrahana milina miampy fiofanana, mba tsy hahafatiantoka ny mpiompy, ny fanjakana, ny mpividy. Hatramin’ izao 80 %-n’ny entana , indrindra ny PPN mbola afarana avy any ivelany. Ny fanaovana ny tetikasa Odof, anefa dia miaro ny tantsaha, ohatra, eo amin’ny vidim-bary vokatra, eto an-toerana. Nisaotra ny fitondram-panjakana ny solontenan’ny Kao­pe­rativa, nanolotra fitaovana avo lenta, nanome voan-dalana toy ny “tantely tapa-bata”.
Lalana mampifandray ny kaominina
Voalohany Manjakandri­ana eto Analamanga amin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanàna sy ny indostria. Na­si­an’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna ny hanarenana ny tanàna sy ny lalana. Indrindra ireo lalana mampifandray ny kaominina hivoahan’ny vokatra. Nampanan­tena koa ny governora fa hanolotra zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha.
Noho ny lazan’i Manja­kan­driana; izay no nisafidianana azy hanombohana ny Odof eto amin’ny faritra. Efa nisy ny hetsika sy fampitaovana nataon’ny minisitera tany Ambositra, Fianarantsoa, Mo­rondava. Fanomezan-danja ny fambolena sy fiompiana, fi­tsinjovana ny mpiompy tantely no tanjon’ny tetikasa. Efa nisy rahateo ny fanomezana milina fanodinana tantely ny tantsaha mpiompy tantely. Ezahina ny hametraka Odof isaky ny distrika hitsinjovana ny tantsaha maro an’isa.

Nanatrika ny fotoana, ny minisitry ny Indostria, varotra sy fanjifana, ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao, ny governora Ana­lamanga, ny lehiben’ny distrika Manjakandriana, ny depiote , ny ben’ny Tanàna, ny solontenan’ireo sefo fo­kontany 310 ao anatin’ny distrika, ireo kaoperativa mpi­ompy tantely, sy tomponandraikitra samihafa.

Ndrina

Partager sur: