Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena ny fametrahana ny fitantanana mahomby sy mangarahara. Anisan’ireny ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany. Isan’ny firenena mampihatra ny fenitra, fametrahana ny mangarahara amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ ny tany vaventy (EITI), i Madagasikara.
Natao teny amin’ny Business Mining Ivato, omaly 09 febroary, ny fivorian’ny vaomieram- pirenena EITI Madagasikara, hanomanana sy hikarakarana ny fankatoavana fahatelo an’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy. Mbola firenena mirotsa-kofidiana (pays candidat) mantsy isika hatreto.
Mifanojo amin’ny fandalovan’ny iraky ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara izany, ka nanatrika ny fotoana izy ireo. Nijery ny fizotry ny asa efa mandeha sy izay mbola miandry izy ireo. Noho ny Banky iraisam-pirenena manohana ny hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany no ahafahany manao izany. Ao anatin’izany ny asa ankapobeny, ny famatsiana ara-bola ny fanatanterahana ny asa, toy ny fanombanana ny dingana mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena EITI. Jeren’ity mpamatsy vola iraisam- pirenena ity koa ny fahavononan’ny fanjakana hanatanteraka sy hanaja ny fangaraharahana amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika.
Miteraka fahatokisan’ny mpampiasa vola
Maro ny efa nataon’ny fanjakana hanatrarana ireo tanjona ireo. Niarahany amin’ ny mpiantsehatra isan-tsokajiny, ao anatin’ny vaomieram-pirenena. Ity farany izay ahitana ny solontenan’ny fanjakana, ny mpandraharaha tsy miankina amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika ary ny fiarahamonim-pirenena. Izay no nahavitan’ny tombana roa.
Tombony ho an’ny firenena mampihatra ny mangarahara ny fisarihana sy ny fahatokisan’ny mpamatsy vola amin’ ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, toa an’i Madagasikara. Entina hamadihana ireo otrikarena maro eto amintsika, hitondra fampandrosoana.
Njaka A .