Nanambara ny ho filatsahany hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina, ny Me Razafimanana Christian. Nambarany fa maromaro ny antony irotsahan’ny olona iray. Misy ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko na fikambanana misy azy ka atolotra sy tohanan’ ireo ny tenany. Manampy izany ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifaninana ho kandidà noho ny fahatokisan-tenany. Nambarany fa misy ny fangatahan’ny maro satria mamim-bahoaka. “Mahatsiaro ho manana adidy amin’ny fitondrana anjara biriky ho fanarenana an’i Toamasina izahay ka heveriko ho tsy hisy hahasakana ahy amin’ny mety ho filatsahako”, hoy izy. Tale-paritry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, efa filohan’ny delegasiona manokana teo aloha (PDS), nitantanana ny kaominin’i Toamasina ny tenany.
Tsy misy loko politika
Naneho ny tanjany nandritra ny tsingeritaonany ny 9 janoary lasa teo tetsy Antanamborozano izy. Niantso ireo mpisehatra politika maro avy amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Fepetra tamin’ny fanasana ny tsy hanaovana loko na marika politika. Nikarakara fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanotolo koa ny tenany ny alahady teo.
Araka izany, kandidà voalohany naneho hevitra amin’ny mety hilatsahany ho ben’ ny Tanàna izany ny Me Razafimanana Christian.
Sajo sy Synèse R.