Nanome toky ny mpitia fanatanjahantena malagasy, ny minisitra Tinoka Roberto, fa tsy maintsy tanteraka ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra 2023. «Mandroso ny asa na dia tsy henoheno aza, miasa mangina izahay na dia tsy hita ety ivelany aza ary mandroso ny asa”, hoy izy. Efa vita ny tetibola. Efa vita ihany koa ny fitsidihana ny fotodrafitrasa. Hanomboka ny faran’ ity volana ity ny fanarenana sy fanamboarana izay mbola tsy vita, toy ny eny amin’ny kianjan’ny Barea izay asiana «piste d’échauffement», ho an’ny taranja atletisma. Mahakasika ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy kosa, efa mandeha ny fifaninanana, hivoaka tsy ho ela izany.
Hanainga
Hiainga ny 15 sy 16 febroary izao, ireo atleta 45 mianadahy hiatrika ny fiofanana any Chine. Hanainga tsy ho ela ihany koa ny andiany manaraka hihazo an’i Bulgarie sy Afrika. ho an’ireo atleta mijanona eto an-toerana, miara miasa amin’ny Komity Olympika Malagasy sy ny federasiona amin’ny fanomanan-tena. Hanomboka fotoana fohy, aorian’ny fiaingan’ny atleta ho any ivelany ny fampivondronana.
Tsiahivina, manodidina ny 86 ny isan’ny atleta hisitraka fiofanana any ivelany, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy.
Mi.Raz