Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie

Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Ta­nanarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’­ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Anala­kely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsi­ka natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy ny maniry ny hiroso amin’ny matihanina kokoa eo amin’ny sehatry ny Slam Poésie izy ity.
Ao anatin’ny fikarakarana hetsika hanatrarana ny vina amin’ny fampiroboroboana ny Slam Poésie eto Madagasi­kara ny tompon’andraikitra, indrindra ny eto Antanana­rivo, mivondrona ao amin’ny MST. Efa hita ary tsapa ny ezaka nataon’ny tompon’andraikitra. Tsikari­tra mantsy ny fahamaroan’ny mpandray anjara mandritra ireny sehatra misokatra ho an’ny rehetra ireny. Maro ireo olom-baovao miezaka miditra tsikelikely eo amin’ny tontolon’ny Slam Poésie. Mihami­tombo ihany koa ny mpankafy.
Ny fahatsapana izany re­hetra izany no nanosika ny tompon’andraikitry ny MST, hanatontosa atrikasa ho an’ ny Slam Poésie. Natao izany hampitana ny fahaiza-ma­nao sy ny traikefa ho an’ny vao misandratra, indrindra ny ta­nora. Eo ihany koa ny firosoana ho amin’ny matihanina kokoa. Isan’ny hizara ny traikefany amin’izany i Tajero, izy izay sokajin’ny mpiangaly Slam ho oloben’ny Slam eto Madagasikara, indrindra ny eto Antanana­rivo. Eo ihany koa i Seth Seven izay efa mpanao atrikasa momba ny Slam Poésie hatramin’izay.
Tanjon’ny fikambanana ny hampivoatra sy hampiroborobo ny taranja Slam Poésie eto Madagasikara.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: