Mahaiza misaotra sy mankasitraka

Vita soamantsara ny lanonam-pankasitrahana ny Barea, omaly, teny Iavoloha. Nahazo mari-boninahitra arakaraka ny zava-bita ny rehetra. Mendrika azy ireo ny fihetsika nataon’ny fitondram-panjakana, mifanentana tamin’ny ezaka nataon’ny tsirairay sy ny ekipa. Nitazona ny teny nomeny ny filoham-pirenena. Tsy nanao mizana tsindrian’ila. Nipetraka ho raiamandreny, nampitovy lenta ny ekipam-pirenena sokajy voalohany sy faharoa na zokiny sy zandriny. Toy ny tamin’ny lalaon’ny CAN 2019, nahazo ny anjarany ireto zatovo mpilalao baolina tsy « matihanina » ireto.
Tsy matihanina, hoy isika, araka ny satan’izy ireo, tsy mila ravinahitra any ivelany. Tsy mbola manao ho loharanom-bola ny filalaovam-baolina. Izay rahateo no hitondrana ny fanamarihana kely, mahakasika ny fivoizan’ny sasany ny kiana momba ny fihetsiky ny fitondram-panjakana. Niaraha-nahalala ny zava-nisy sy ny fepetra niainan-dry zalahy nandritra ny fanomanana iny CHAN 2022 iny. Tsy arakaraka ny fitsipozipozian’ny fanomanana ny vokatra azo, izay nisongadina sy tsara. Rariny raha misy ny fihetsika toy izao ho fanoitra sy fanatsarana ny amin’ny ho avy. « Aza atositosika tokoa ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana ! » , hoy ny fahendren’ny Ntaolo Malagasy. Maka lesona e !
Mila mahay mankasitraka isika, mba hampitoetra ny vokatra tsara sy hitohizan’ny ezaka efa natomboka. Tsy mijanona amin’ny Barea ihany, no ilana ny toe-tsaina tahaka izany. Ilaina ny fankatelemana amin’ny zava-bita eny anivon’ny fiarahamonina. Zava-dehibe amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny fankasitrahana. Mila izay fahaizana misaotra izay, na amin’ny bitika indrindra aza. Famporisihana ny olona hiroso sy hamokatra misimisy kokoa izany. Mamboly, fahatokisan-tena rahateo ny fahatsapan’ny olona iray fa mety ny nataony, ka nampisy fiantraikany tsara tamin’ny fiainan’ny hafa.
Tsy fahambaniana ny fahaizana midera ny ezaka ataon’ny hafa. Sady fanomezan-kasina ny tena mahay misaotra izany no mampitombo ny hambom-po te hihoatra. Fanoitra manosika mba hametraka ny fanamby ho ambony kokoa noho ny teo aloha.

r.r

Partager sur: