Rehefa nohasarotina… : lany andro mikaroka ny hevitry ny « kanto » ny Malagasy

Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona iny » ! Sns. Misy manohitra hatrany anefa ireny fanehoan-kevitra ireny. « Ndao ary hofaritana mihitsy ny atao hoe « kanto », hoy ny sasany… Dia mifanditra eo !

Tany ambadiky ny taona 1975, tsy mbola nametraka olana tahaka ny hita amin’izao vanim-potoana izao ny atao hoe « kanto » eo amin’ny Mala­gasy. Toraka izany koa ireo anarana niainga avy aminy toy ny hoe « mpanakanto », « zavakanto », sns. Anisan’ ny antony iray lehibe niteraka izany ny fitoviam-pijery, na tsy manontolo aza, teo amin’ireo niantefan’ny kan­to. Tsy mbola nitobakabe tahaka ny amin’izao fotoana ihany koa ireo naroso na mi­roso ao anatin’ny «kanto». Ohatra, ny fipoiran’ireo ka­ra­zan-kira sy dihy tsy tambo isaina.
Ankehitriny misy ny mi­laza fa «tsy mpanabe ny mpanakanto fa mpanajary ho kanto na mpanao kanto. Anjaran’ny mpampianatra sy ny raiamandreny ny ma­nabe». Taloha, anefa, sahy nilaza mazava ireo mpamoron-kira sy mpihira fa «ma­na­be ny vahoaka ny zavakanto ataonay». Talo­han’ny taona 1975, tsy tazana sy re teny amin’ny fiarahamonina na teny an-tsehatra ny mpampandihy fitombenana, ny to­nonkira sy fihetsika ma­moa­fady… Taty aoriana, tafiditra na nampidirina ho anisan’ny kanto ny dihy tahaka izany. Na­nomboka nihasarotra na nohasarotina ny hevitry ny teny hoe «kanto» satria nisy niaro fatratra sy nivoy araka izay vitany ny hoe : «zavakanto ireny» !

Nivoaka ny vala ny kanto… Fa mbola kanto ihany !
Fahiny, tsy sarotra ny nilaza hevitra momba ny zavakanto satria mazava ny vala nentina nanao izany. Teto Imerina, ohatra, nahitana ny varibotry, ny latsitanana, ny dihy soroka. Teo amin’ny tononkira indray, nampiasa ireo voambolana tranainy, ny hainteny, ny ohapitenenana, tsy mandratra na mitsipaka ny soatoavina niainan’ny fiarahamonina teto tahaka ny fifanajana, firaisankina, fi­fa­nomezan-kasina. Fomba fi­se­ho sehatra indray, miakanjo malabary sy satroka ravindasy ny lehilahy, mitafy lamba sy ma­nao akanjo tohitena ny ve­hi­vavy… Ampa­hana fefy (toerana, fomba amam-panao, fiarahamonina, fomba nitaizana, sns), nentina nanondro na na­maritra ny atao hoe «kanto» ireo. Izay nihoa-pefy, sarotsarotra ny hilaza azy ho « kanto » !
Raha io vala io no atao ho ohatra iaingana, tsy ho tokana velively ny famaritana ny atao hoe « kanto ». Ho lany fotoana hikaroka sy hitady izany ny Malagasy fa mety tsy hahita ny iraisana satria ahitana fahasamihafana hatrany ilay vala mamefy ny kanto eo amin’ny tsirairay : faritra, fi­taizana, fomba amam-panao, fomba fihevitra sy ny fandraisan-javatra, sns. Mety ho voakitika hatrany amin’izay he­verina ho fahendrena mihitsy aza. Tsy tokony ifanomezan-tsiny ny amin’izay. Harena rahateo ny fahasamihafana.

Zava-dehibe ny fifanajana
Na samihafa aza ny vala hamaritana sy hamefena ny « kanto », iraisan’ny Malaga­sy kosa ny fahaizana mifanaja. Tsy midika ho faharesena na fahalemena ny fanajana ny tena sy ny fanajana ny hafa. Anisan’ny nampirindra ny fiarahamonina malagasy fahiny, rahateo, ny fahaiza-mitazona ny an’ny tena sy ny tsy fanaovana tsinontsinona ny an’ny hafa na ny fanajana ny hafa.
Rehefa manaja sy mifanaja ny tsirairay, tsy tokony hisy tahotra ireo tery vay manta ataon’ny vanim-potoana ka hanaiky tsy fidiny fa izatsy na izaroa no atao hoe « kanto ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: