Telma-2Africa : internet matanjaka indrindra

Tafapetraka ny 3 febroary 2023 teo, tany Mahajanga ny tariby fifandraisan-davitra (câble) any ambany ranomasina 2Africa. Niara-niombon’antoka nametraka azy ny orinasa Telma sy ny Vodafone, izay hamatsy an’i Afrika, indrindra ny aty amin’ny tapany atsinanana. Hisitraka sy ampiasa izany ny olona miisa 3 miliara. Tariby fifandraisan-davitra matanjaka indrindra maneran-tany ity 2Africa ity, izay hanomboka hiasa amin’ny volana oktobra 2023.
Ho raitra ny kalitaon’ny fifandraisan-davitra internet. Hanamafy ny fampiasana ny tanjaka 4G sy ny 5G ary ireo tambajotra ampiasain’ny orinasa sy ny mpanjifa maro ihany koa ny 2africa. Isan’izany ny fampiasana ny «télétravail», ny «streaming vidéo HD», ny karazana fampiasa (applications) amin’ny fifandraisan-davitra samihafa.
Niantoka ny fanatanterahana ny asa ny orinasa Alcatel Submarine Networks (ASN). Mirefy 45.000 km ny halavan’ny tariby fifandraisan-davitra, manana tanjaka 180Tbits isaky ny segondra. Mampifandray firenena miisa 33 aty Afrika, Eoropa ary ny tany Arabo (Moyen Orient). Mihoatra noho ny fitambaran’ny tanjaky ny fifandraisan-davitra internet misy aty Afrika amin’izao fotoana izao ity 2Africa ity.

Njaka A.

Partager sur: