Vangaindrano : lehilahy voan’ny androbe hita faty

Efa an-taonany nisy aretina “androbe”. Hitan’ny fokonolona faty tao anaty tatatra ny lehilahy iray tao Ankadirano, fokontany Mahavelo, distrikan’i Vangaindrano, ny 6 febroary teo. Niala tao an-tranony handeha hihaza vorona sy haka trondro, tsy hita popoka ity lehilahy ity. Nifampitadiavana, arak’izany, izy saingy tsy nisy nahita ireo manodidina. Ny andron’ny alahady teo anefa, nisy nampilaza ny manodidina fa misy fatin’olona mihohoka tao anatin’ny lakan-drano iray manamorona ny tanimbary ao anatin’io fokontany io. Nijery izany ny fianakaviany ka voamarina fa havan’izy ireo ity namoy ny ainy ity. Nidina ifotony nanao fitsirihana ny razana ny mpitsabo niaraka tamin’ ny solotenan’ny zandary tao an-toerana. Tsy nisy ratra na mangana teo amin’ny vantan’ io maty io. Rehefa natao fanadihadiana ny fianakaviany, efa taizan’aretina androbe hatramin’ny fahakeliny ity lehilahy hita faty ity. Nentin’izy ireo avy hatrany ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io taorian’ny fizahana.

Tsiferana R.

Partager sur: