Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vondrona Afrikana (UA). Hotanterahina ny 18 sy ny 19 febroary izao any Addis Abeba, Etiopia, izany ary hatrehan’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ity rafitra iray lehibe aty Afrika ity. Hitarika ny delegasiona malagasy amin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny lohahevitry ny fihaonana an-tampony amin’ity andiany faha-36 ity ny fanafainganana ny fifanakalozana malalaka eo amin’ny varotra amin”ireo firenena samy Afrikanina na ny “Zone de libre échange continentale africaine – ZLECAF » izany.
Mialoha izany anefa ny fivoriana ara-potoana andiany faha-42 ho an’ny filankevitra mpanatanteraka hatao ny 16 sy 17 febroary izao.
Synèse R.