VONDRONA EOROPEANINA sy ny MAEH: fanatsarana ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra

Isan’ny tohanan’ny Vondrona eoropeanina ny tetikasa Jirama Tana Water III, hanatsarana
ny famatsian-drano fisotro eto Antananarivo sy ny manodidina. Eo koa ny fanadiovana
ny lakan-drano hanafainganana ny fivarinan’ny rano.

Nihaona tamin’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidini­avo, omaly, ny masoivohon’ ny Vondrona eoropeanina (UE) miasa eto Madagasikara, Rtoa Isabelle Delattre.

Nojerena ireo tetikasa iarahan’ny roa tonta. Isan’ izany ny mikasika ny fitarihan-drano eto Antananarivo Renivohitra. Eo am-pamaranana ny fanadihadiana mialoha amin’ny antsipiriany ny tetikasa Jirama Tana water III, mba ahafahana hanaovana ny asa alohan’ny faran’ity taona 2023 ity. Isan’izany ny fanatsarana ny famokarana rano va­­ovao sy ny fanitarana ireo fantsona fitarihan-drano eto An­tananarivo sy ny manodidina.
Mitentina 79,3 tapitrisa euros ny totalin’ny fama­tsiam-bola, ka avy amin’ny UE ny 29,3 tapitrisa euros. Hanova sy hanatsara ny fa­matsian-drano eto Antana­narivo Renivohitra sy ny manodidina ity tetikasa ity rehefa vita.

Fanadiovana ny fivarinan’ ny rano
Tetikasa faharoa iarahana amin’ny Vondrona eoropeanina, ny fanohizana ny PIAA 2. Tafiditra ao anatin’ny asa ny sehatry ny fanadiovana eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa nahitana vokatra tsara ny dingana voalohany amin’ ny tetikasa, ny fanalefahana ny famoahan-drano eto Anta­nanarivo. Tsapa ny fihenan’ny rano haingana nandritra sy taorian’ny fandalovan’ny ri­vo­doza Cheneso teo iny, na tsy mbola tena afaka tanteraka aza.
Tohizana ny asa ao an­atin’ny dingana faharoa, ha­nalefahana kely dia kely ny fikorinan’ny rano, izay mbola hanaovana fanadihadiana.
Noresahana manokana, nandritra ity fihaonana ity ny ahafahan’ny Vondrona eoropeanina miditra an-tsehatra any amin’ireo tanàn-dehibe hafa, mikasika ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana. Sa­tria mila fampiasam-bola be­tsaka ny fanatanterahana izany. Eo koa ny mikasika ny fikarohana fomba hanodinana indray ny rano avy amin’ny orinasa indostrialy ho azo ampiasaina. Nilaza ny masoivohon’ny UE, fa vonona hatrany izy ireo hanohy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: