Ambatovy: nanolotra jiro 500 isa

Nanolotra fitaovam-panazavana mandeha amin’ny herin’ny masoandro 500 isa ho an’ireo tokantrano marefo ao amin’ny tanànan’Ampa­simbe sy Ranomafana Atsi­nanana ny orinasa Amba­tovy, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny tanànan’i Tanambao no notontosaina ny fanolorana ireto fanomezana ireto ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy.
Tafiditra amin’ny fanda­haranasan’Ambatovy ho fam­pandrosoana ny vondrom-piarahamonina ny hetsika ary mifanjohy amin’ny laharampahamehan’ny governemanta malagasy hampidi­rana jiro amin’ireo tanàna ambanivohitra eto Mada­gasikara.
Ahitana takelaka mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro 20W 16V, boati­kely mampandeha azy sy vatoaratra, jirom-balindrihana efatra, ary jiro mirehitra ho azy rehefa lalovana ny fitaovana tsirairay. Misy radio ihany koa nampiarahan’ny mpamatsy amin’ny « kit » tsirairay. Hahazo fiofanana ny ankohonana tsirairay misitraka ireto fanomezana ireto hahafantarany ny fomba fametahana sy fikojakojana araka ny to­kony ho izy ny fitaovana.

Vonjy

Partager sur: