Natao, omaly zoma 10 febroary ny fambolen-kazon’ ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ ny tany sy ny loharanon-karena stratejika (MMRS). Teny amin’ny fokontany Ambohibarikely Ampangabe, kaominina Ambalavao, distrika Atsimondrano no nanatanterahana izany. Miisa 6 000 fototra ny zanakazo nambolena tamina velarantany 3 ha.
Nandray anjara avokoa ny mpiasan’ny minisitera foibe sy ny rantsamangaika ao aminy, nampian’ny solontenan’ny mpiara-miombon’ antoka sy ny fikambanan’ny mpiantsehatra amin’ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika, ny fikambanan’ny mpitrandraka madinika,ny fiarahamonim-pirenena, sns.
32,5 ha rakotra ala
Toerana nohajarian’ny ny Ofisim-pirenena misahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny indostria stratejika (Omnis) ny eny Ambohibarikely Ampangabe, efa hatramin’ny taona 1986. Nahatratra 32,5 ha ny tany efa voarakotra ala tao anatin’ izay 37 taona izay, nambolena hazo maherin’ny 200 000.
Ankoatra ny minisitera foibe, efa maro ny fitantanam-paritra nitondra ny anjara birikiny handrakofana ala an’i Madagasikara. Tsiahivina fa lohahevitra amin’ ity taona 2023 ity, ny hoe « izay mamboly hazo mamelona aina. Izay mamboly hazo, mamelona an’i Madagasikara ». Tafiditra ao anatin’ny velirano faha-10 napetraky ny filoha, fitantanana maharitra ny harena voajanahary.
Njaka A.