Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly tetsy Anosy, ny loholona frantsay, Rtoa Samantha Cazebonne sy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Gaulois. Nanatrika ny fotoana koa ny kestiora, Eddie Fernand Serge.
Noresahana ny lafiny fampianarana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa.
Nilaza ity loholona frantsay ity fa tsy hijanona amin’ireo sehatra telo ireo ny fiaraha-miasa, fa hitarina amin’ny lafin-javatra hafa, toy ny tetikasa fampandrosoana maharitra. Marihina fa mpikambana ao anatin’ny vaomiera miadidy ny kolontsaina, ny fanabeazana ary ny fifandraisana ny tenany ao amin’ny Antenimierandoholona frantsay sy amin’ny fikambanana hafa.
Nisaotra ireo delegasiona ireo ny filohan’ny Antenimerandoholona, Razafimahefa Herimanana, satria zava-dehibe tokoa ny fihaonana toy izao. « Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny fanatsarana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tanàn-dehibe eto amintsika », hoy ihany izy.
Njaka A.