Tandindonin-doza indray ny mpiasam-panjakana manodina tsy ankiato ny fampandehanana ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao amin’ny faritra atsinanana. Noho ny ady misy eo amin’ny vondron’ny mpandraharaha roa nandray anjara tamin’ny fifidianana tamin’ ireo efatra no mahatonga izany: ny Goept sy ny Geptoa. Mangina kosa ny vondrona miisa roahafa dia ny Gepat sy APCCT.
Tsy mbola afaka ny mandray ny karamany izy ireo raha tsy tafapetraka ny mpikambana amin’ny birao maharitra hitantana ny antenimieran’ny varotra. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa ny fifidianana izay ho filoha, ka manasonia ny fandoavana ny volan’ny mpiasa. Hatreto anefa tsy mbola misy ny mangirana satria rava maina ilay fivoriana natao ny 12 janoary lasa teo. Fivoriam-be nikasana ny hanatanterahana fifidianana.
Tsiahivina fa anisan’ny tsy nahavitana ny fivoriana ny amboletra nataon’ny filohan’ ny antenimieran’ny varotra teo, mpikambana amin’ny vondrona iray izay mifanolana. Ity farany izay niongana noho izy voarohirohy tamina raharaha kolikoly sy fanodikodinam-bola izay nanaovan’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) azy famotorana ary nampiditra azy tany am-ponja.
Samy manana ny androritany azy ilay andinin-dalàna faha-58 sy 59 amin’ ny lalàna laharana faha-2007 -990 tamin’ny 11 novambra 2007, mifehy ny Antenimieran’ny varotra manerana ny faritra eto Madagasikara ny fikambanana mifanolana.
Manolona izany rehetra izany, minia mangina ny fikambanana roa hafa, mandrafitra ny antenimeran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana ao Toamasina. Tsy miditra amin’ny adin’ ireo vondrona roa voalaza teo ambony ireo izy ireo.
Olana amin’ny zava-misy, ny lehibe no miady, ka ny mpiasa madinika no sorona , tsy afa-mandray karama.
Sajo