Antoko Maintso : mangataka ny filoha Rajoelina hirotsaka ho fidiana

“Miantso ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoe­lina Andry, ny antoko Maitso mba hirotsaka indray ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotante­ra­hina tsy ho ela”, hoy ny fanambaran’ ny antoko Maitso hasin’i Ma­dagasikara teny Antaninare­nina, omaly.
Manasa ireo mpanao politika hiomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hifanesy ny antoko: manamafy ny fototra, manabe sy manentana ny vahoaka, manely ny fotoke­vitra, manomana kandidà, manara-maso ny fikarakarana ilaina amin’ny fifidianana…
Angatahiny koa ny mpanao politika hamela malalaka ireo rafitra mpanomana fifidianana hanao ny asany. Ma­lalaka ny fanehoan-kevitra ary misy ny demokrasia. Tsy azo ekena kosa ny fanakorontanana ny fanjakana voafidy ara-pomba demokratika na hanelingelenana ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana ho avy. “Tsy mendrika izany intsony ny firenentsika sy ny vahoaka ary tany tan-dalàna ny eto”, hoy ny fanambarana.
Efa mitsangana avokoa ireo rafi-panjakana rehetra araka ny lalàmpanorenana voakasika mivantana na ankolaka amin’ ny fikarakarana ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: