Niarahaba ny Ceni tamin’ny namoahana ny tetiandrom-pifidianana filoham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly.
Nambaran’izy ireo fa dingana iray lehibe ahafahana miroso any amin’ny fikarakarana ny fifidianana ho antoky ny fitoniana sy fanamafisana ny demokrasia izany. Nahitsy anefa ny MMM. “Tsy mbola feno ny tetiandro. Tokony hatao amin’ity taona ity koa ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsaina, araka ny voalazan’ ny lalàna”, hoy izy ireo. Nangatahan’ny MMM ny famoahana ny daty hanatanterahana izany, iankinan’ny fampivoarana eny ifotony sy fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana.
Nanterin’izy ireo fa mbola betsaka ny fikarakarana tsy tomombana sy tsy fanarahan-dalàna ao anatin’ny fanavaozana ny lisim-pifidianana. Eo koa ny didy aman-dalàna tokony havaozina, hanatsarana ny fikaraka-rana ny fifidianana. “Tsy mbola tara raha misy tokoa ny finiavana, hanarenana izany rehetra izany, mba hifidianantsika filoham-pirenena, ben’ny Tanàna ary mpanolontsainan’ny Tanàna, hikarakara ny tanin-janaka amin’ny dimy taona sy efatra taona manaraka”, hoy ihany ny MMM.
Synèse R.