CUA : mpivarotra hani-masaka 40 nahazo mari-pankasitrahana

Mpivarotra hani-ma­saka miisa 40 teto Antananarivo nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny INTH (Ivon-toeram-pampianarana misahana ny fizahantany sy hotely) omaly. Mpivarotra teo anivon’ny tsenan’ny Mahama­sina, Soamanatombo ary Zemaika izy ireo. Niom­pana amin’ny « securité alimentaire » ny fiofanana nomena azy ireo hoy ny tompon’andraikitra. Nojerena mano­kana ny fomba atao mba hialana amin’ny ahiahin’ny mpanjifa manoloana ny ha­betsaky ny sakafo tsy ara-pahasalamana eny anivon’ ny tsena eny. Tanjona ny hampidirana ny sakafo ara-pahasalamana eny anivon’ ny tsena mpivarotra hani-masaka eto Antanananarivo. « Hampidirana ny tsena sy ny fivarotana sakafo hani-masaka ho eo amin’ny sehatry ny matihanina izay tafiditra ao anatin’ny velira­non’Iarivo » hoy ny tompon’ andraikitra eo ani­von’ny kaominina Anta­na­na­rivo, Razafimanahaka Naivo.

Ara-pahasalamana

Nilaza ny tompon’andraikitra fa efa azo itokisana tsara ireo mpivarotra nisi­traka fampiofanana ireo. “Hira­­riana ny tsy hisian’ny olona marary ateraky ny fi­hinana sakafo eny an-tsena” hoy hatrany izy. “Mba tsy hisy intsony ny baranahany eny anivon’ny tsena sy eny amoron-dalana rehetra eny” hoy hatrany ny fanazavana.
Tsy mijanona eo amin’ ny fampiofanana ihany ny tetikasa fa tsy maintsy misy ny fanaraha-maso ataon’ny eo anivon’ny kaominina An­tanananarivo aorian’ny he­tsika. Voakasik’izany ny fahadiovan’ny sakafo. Ta­kiana amin’ireo mpivarotra ihany koa ny fahaizana mandray olona. Mba ho reharehan’i Madagasikara sy ny tanan’Antananarivo hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina fa nampiofana azy ireo ny teo anivon’ny INTH sy ny sampana mpamonjy voina. Andiany voalohany ary mbola hitohy hatrany kosa ny tetikasa hoy ny tale eo anivon’ny Fhrom Rakotondrainibe Tsiory. Mahatratra 130 ireo mpivarotra ho kendrena hisitraka ny tetikasa.

Mino
(mpianatra asa)

Partager sur: