Fanomanana ny fifidianana: miantso fifampidinihana maika ny RDS

Namoaka fanambarana ny antoko RDS, tarihin-dRakoto Andrianiriana Fetison, ny 6 febroary teo. Nanentana ny Ceni izy hampiantso ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana.

“Aoka isika hifampidinika ao anan’ny fe-potoana faran’ ny haingana. Maika izao ra­haraha izao, ka tsy azo hanjehena ny andro ho lava », hoy izy.

Tanjon’ny dinika ny fitsirihana ny fikarakarana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ka hijerena ny fomba fanisana ireo mpifidy. Ny fampiasana ireo rindram-baiko, ny fanitsiana ireo lisitra tsy lavorary. Eo koa ny fandaminana ny fa­nan­gonana sy fanaraha-maso ireo voka-pifidianana. Ialo­havan’ny fankatoavan’ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana izany. Hofaritana koa ny tetibolam-pandaniam-panomanana ny fifidianana. Handray anjara amin’izany ny fitondrana sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Hifanaraka ka hanao sonia fitsipi-pitondran-tena koa ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana mba ho azo an­toka, tsy miandany ary mangarahara izany. « Fifidianana andrai­sana sy eken’ny rehetra, mitondra ho amin’ny fi­tantanana ma­homby sy mendrika », hoy ny RDS. Miantso ny rehetra handrava ny fifankahalana sy ny tsy fifampitokisana koa izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: