Faritra Analamanga : miantso ny mpiasa ho modely ny governora

Notanterahina teny amin’ ny Park Analamanga, Ampan­gabe, ny zoma 10 febroary 2023, ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona, ho an’ny mpiasa sy tompon’ andraikitra eo amin’ny faritra Analamanga. Tanjona ny fampiraisana sy ny fampiombonana bebe kokoa ny mpiasa sy tompon’andraikitra, hampandroso sy hahatsara ny faritra Analamanga.
Niantso sy nanentana ny fianakaviamben’ny faritra Ana­lamanga, ny amin’ny tokony haha matihanina sy mendrika kokoa, ny Governoran’ny faritra, Rasoamaromaka Hery, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny faritra Anala­manga. “Aoka ho fitaratra amin’ny fomba fiasa ny mpiasa sy ny tompon’andraikitra isaky ny sokajiny avy eto amin’ny faritra Analamanga. Ny faritra Analamanga no tokony ho fitaratra ho an’ny faritra sasany amin’ny maha ato amin’ny faritra Analamanga ny renivohitry Madagasi­kara” hoy Rasoamaromaka Hery. Nitohy tamin’ny sakafom-pifalina sy hetsika ara-panatanjahantena, nolarona lalao sy fanentanana izany fifampiarahabana nahatrarana ny taona izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: