Jirama: ho tapaka ny jiro Anosizato hatrany Itasy anio

Hita avokoa ny fototry ny olana mikasika ny fama­tsiana herinaratra miainga eny amin’ny toby « sous-station Tana Sud » Anosi­zato hatrany amin’ny faritra Itasy. Tsy maintsy hatao, araka izany, ny fanarenana sy ny fanamboarana ny simba. Nilaza ny tompon’andraikitry ny Jirama fa sarotsarotra ny asa sady maro ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanapahana ny herinaratra, ao anatin’ilay antsoina hoe « départ Iarivo ». Tonto­saina anio asabotsy 11 febroary, manomboka amin’ny 9 ora maraina izany hatramin’ny
4 ora hariva. Voakasik’izany daholo ny famatsiana rehetra manomboka eo Anosizato, mihazo ny lalampirenena voalohany (RN 1), toa ny Ala­kamisy Fenoarivo, Imerin­tsiatosika, Arivonimamo, Miarinarivo, Analavory, Am­pefy hatrany Soavinandriana.

Maro ny asa hatao

Mampandre ny mpanjifa ny Jirama, fa hiverina mia­loha ny famatsiana raha vita alohan’io fotoana voatondro io. Raha sanatria misy ny fahasarotana, hajaina ny amin’ny 4 ora hariva, saingy ho tohizana amin’ny herin’ ny asabotsy, izany hoe, ny 18 febroary indray ny asa.
Maro ny asa hatao amin’ izany. Toy ny fanoloana ny « isolateur » izay maromaro no vaky, eo koa ny andrin-jiro hazo potika na lo, Hoso­loina ny tariby ahina ho tapaka ary ho rantsanana ny hazo manelingelina ny tambazotra.

Njaka A.

Partager sur: