Manan-kasina sy manan-kery ny teny malagasy: « Ovaina io « Malgache » io raha te handroso », hoy Dr. R. Fabrice

« Iaraha-mahalala, tafahitsoka anaty fahantrana lalina ny firenena », hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo, mpandinika fiarahamonina. Miainga amin’ny kolontsaina ny vahaolana heveriny fa mila atao maika. Dinika nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*) : Amin’ny maha mpitsabo sady mpandinika fiarahamonina. Inona ny vahaolana hamonjena ity Madagasi­kara ity ao anatin’izao fa­hantrana lalina izao ?

Dr. Randriamahenina Fab­rice (-) : Ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny sehatra misy azy avy, ka hanao tongotra miara-mamindra ary soroka miara-milanja amin’ny mpitondra ny vahoaka. Izay no tena fanoitra ahafaha-miady amin’ity fahantrana ity. Ny mampalahelo, efa nozarazarain’ny firehan-kevitra maro ny fiainam-piarahamonina, toy ny politika, antokom-pinoana, sns. Fisaraham-bazana namboly toe-tsaina raiki-tapisaka amin’ny fiandrasana kendritohina, ny fifanaratsiana ny hafa, ny tia kely, ny fanamparam-pahefana amin’ny sehatra rehetra, sns. Izay vao mainka mampihitsoka lalina ny fiarahamonina sy ny firenena anaty fahantrana. Faharoa, raha te hiala amin’izao fahantrana izao isika, mila manova toe-tsaina. Mila ma­nana toe-tsaina tia karokaroka, tia mamokatra, tia manangona sy manangana, tia mi­fandray, tia miserasera, ary tia fihavanana sy fanajana ny hafa. Raha ny tsirairay no manana izay toe-tsaina izay, ka misy ny fiaraha-mientan’ny besinimaro. Mino sy matoky isika fa hiova izao fiainantsika izao.

* Ahoana ny fomba ha­nentanana vahoaka 25 tapitrisa hanana fomba fi­sai­nana tahaka izany ?

– Ny anarana fiantsoana ny firazanantsika no hanairantsika azy. Indrindra indrindra ny soatoavin’ny Gasy dia mino ny hasin’ny teny, mino ny herin’ny teny. Aoka isika tsy hieritreritra fa tsy misy dikany io teny tenenintsika isan’andro io. Fa ny teny aloakan’ny vavan’ny manam-panahy dia manankery eo amin’ny tontolo manodidina azy. Tsy mety amin’ny Gasy manam-panahy ny fiantsoana hoe : « malgache ». Tsy hazavaintsika intsony angamba hoe inona ny hoe mal (mialoha ny hoe gache). Anisan’ny antony mahatonga ny fahantrantsika io fiheverana antsika ho « mal » io. Firenena mandala sy mampiasa ny teny frantsay isika. Voalohany, efa sakana iray amin’ny fampandrosoana na izay fotsiny, satria matetika ireo firenen-dehibe ifandraisana amin’ny fifanakalozana ara-barotra, mandala ny teny anglisy avokoa. Faharoa, ilay «mal» mipaka amin’ny amparahatoka dia efa mibaiko ankolaka ho « mal », rehefa henonao isan’andro, isan’ora, isa-minitra ka ekenao.

* Inona no heverinao fa hanovana ny « malgache » mba tsy hampanan-kery azy io intsony ?

Misy mandray azy io ho kely sy bitika, kanefa araka ny nohazavaiko tany am-boalohany, manan-kery ny teny. Tsy misy, angamba, sady mandà izany ! Mila hovaina amin’izay izany fiantsona (na anarana) izany. Ary raha fahantrana sy fahasahiranana no nentiny, andeha ny mifanohitra amin’izay no angatahintsika amin’ny fahefana mahefa isan’ambaratonga (na ny fanjakana). Tolo-kevitra, ndao atao hoe « Gasitsara ». Anarana hitondra ny soa sy ny fanambinana ary ny hatsarana amin’ny lafiny rehetra, anarana hifampitaomana hanao ny tsara sy hifampizarana ny hatsarana. Dia ho sambatra sy ho finaritra tokoa ity tanindrazana malalantsika ity !

Nanangona :
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: