Nisokatra omaly ny “Festival Abidjan Capitale du rire” andiany fahavalo. Tanjon’ny hetsika ny hamoahana talenta vaovao eo amin’ny hatsikana aty amin’ny ranomasimbe indianina sy ny faritra karaiba. Mandritra ny lanonam-pamaranan’ity hetsika ity ny alahady izao ihany koa no hanolorana ny amboara ho an’i Stephan Dipita, izay nandrombaka ny « Prix RFI Talents du rire 2022 » andiany fahavalo.
Vola mitentina 4 000 euros no omena ny mpandresin’ny fifaninanana. Niisa 10 ireo mpanao hatsikana teto afrika voatsongo hofidina, izay handrombaka ny andiany fahavalo amin’ny “Prix RFI Talents du rire 2022”. Nitondra avo ny anaran’i Madagasikara tamin’izany Ranarivelo Lahatra Sombiniaina, izy izay tafiditra tao anatin’ny 10 nofidina hiatrika ny famaranana(top10) .
Lin (Mpianatra asa)