Raikitra ny lalao

Mazava amin’izay! Tsy maintsy handeha ny fifidianana. Efa namoaka ny vinavinan’ny tetiandro hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena ny vaomiera manokana mikarakara izany na ny CENI. Midika izany, afaka miroso amin’ny fanafanan-tena sy ny fanazaran-tena mafimafy ny mpilalao. Manamafy ny paikady sy ny tetika isan-karazany, hahazoana vokatra tsara. Miketrika ny hahazoana ny amboara, ka hitondra ny baolina mandritra ny dimy taona be izao. fotoana , hidiran’ny ekipa anatin’ny fampivondrona sy fanamafisana ny firaisan-tsaina.
Aiza no hahita! Hanao an-kisisika miaraka amin’ny an-kamely, mialohan’ny fotoana aza hatao. Zara aza misy ny lalao hiakarana kianja. Hilalao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna. Mitovy rahateo ny herijikan’ny mpilalao sy ny ekipa, araka ny lalàna mifehy ny fifidianana. Tsy misy ny tombo sy hala. Ny mpikarakara rahateo efa manao antso avo amin’ny mpandray anjara samy hitondra ny anjara birikiny, hisian’ny lalao madio sy ny vokatra azo antoka.
Efa mandeha ny fanomanan-tena, tsy misy bedy. Samy manao izay fomba heveriny hampahomby ny tetikady isan-karazany. Na mpitondra na ny hery velona hafa, samy anatin’ny hazakazaka fanafanan-tena, arakarakara ny hoenti-manana. Ny teo aloha, miezaka ny manarina izay tsy nety. Tsy mahagaga, ho tonga an-tanindrazana anio ny kapitenin’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Etsy ankilan’izany, efa mamono lolo ny ekipa azo lazaina ho vahiny kanefa tompon-tanana ihany. Efa niara-nihosona tamin’ny mpitondra ankehitriny rahateo. Milaza hitondra hevi-baovao kanefa mampanahy, mety ho tahaka ilay iraikalahy taloha, ny “Teo Ihany no Miverina”.
Tsy maintsy hitady hirika hiarovana ny anaram-boninahitra ny tompon-tanana, na eo aza ny feo miely sy ny kirizy lalovana. Maka lesona tamin’ny nodimbiasany ny taona 2018. Mahamenatra izany hoe tompondaka, tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka izany. Hatreto mbola matoky tena ity ekipa ity ka nihazakazaka nitady ny vola hanaovana fifidianana.
Efa samy vonona ny mpilalao sy ny ekipa ary ny mpanohana. Ny vahoaka, handeha hisafidy izay mendrika sisa andrasana. Mbola niampy ny fotoana hidirana anaty lisi-pifidiana, mila milomay ihany koa, tsy hisy hadino. Indray na indroa miverina ihany ny fahafahana mandatsa-bato ka tsy azo tsinontsinoavina. Ny fiainana iray manontolo anatin’ny dimy taona no fototry ny lalao ka tsy azo vazivaziana. Ny fandehanana mifidy dia sady zo no adidy!

r.r

Partager sur: