Nandinika ny fananganana ny vondron’ireo tompon’andraikitra hisahana ny fiahiana ara-tsosialy na ny Groupe Thématique de la Protection Sociale (GTPS) eny ifotony ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ao Amoron’i Mania.
Nitarika ny fivoriana maika tamin’izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia sy ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Tsarahita Ghisbert..
Mifototra amin’ny sosialim-bahoaka rahateo no tarigetra iarahana manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny filoham-pirenena.
Samy naneho ny fahavononany ny rehetra. Tokony miainga amin’ny filana eny ifotony ny tolotra omena toy ny fanofanana sy karazana tohana ahafahan’ny olona mivelona sy mahaleo tena ara-pivelomana.
Mila mamantatra sahady ireo karazana vahaolana na tohin’ny fanarenana mila hatao aorian’ireo tetikasa ara-tsosialy ihany koa ireo tompon’andraikitra eny ifotony mba tsy ho very maina ireny tetikasa ireny, hoy ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy.
Tolotra ara-piofanana afaka ampiharina amin’ny andavanandrom-piainana, maharitra sy mahomby no omena.
Efa hatramin’ny taona 2015 no napetraka ny politikam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy. Tanjon’ ny fitsanganan’ny GTPS ny hisian’ireo rantsa-mangaikan’ny fanjakana miantsehatra ifotony ary tena tomponandraikitra feno amin’ny sosialim-bahoaka.
Tatiana A