Raikitra! 9 novambra sy 20 desambra ny volavolana datim-pifidianana navoakan’ny Ceni. Andrasana ny fanapahan-kevitry ny governemanta sy ny HCC, na ara-dalàna izany na tsia.
“Araka ny fivorian’ ny birao maharitry ny Ceni: novolavolainay hatao amin’ny alakamisy 9 novambra 2023, ary ny alarobia 20 desambra ny fihodinana faharoa”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, teny Alarobia, omaly, nampahafantatra ny datim-pifidianana. Efa nalefan-dry zareo any amin’ny governemanta sy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) io volavolana datim-pifidianana io. Miaraka amin’ny tetiandrom-pifidianana: ny fe-potoan’ny fametrahana firotsahan-kofidina, ny fampielezan-kevitra… Miandry ny valin’izay ny famoahana ny tetiandro feno.
Raha ny tokony ho izy eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra ny fifidianana fihodinana voalohany, araka ny lalàmpanorenana. Raha amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany: mihena folo andro ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika amin’izao, raha mirotsaka hofidina izy. Izay no tsy maintsy hakana ny hevitry ny HCC.
Araka ny And. 52 amin’ ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, tokony hatao eo anelanelan’ny 31 mey sy ny 30 novambra ny fifidianana. Marina fa tokony hirosoana ny fifidianana rehefa mifarana ny fe-potoam-piasana, araka ny And. 53. Mba hialana amin’ny adihevitra no akana ny hevitry ny HCC momba ny fihodianana faharoa amin’ny 20 desambra.
Tsinjovina ny mpifidy sy ny kandidà
Nalaina ambony, nalaina ambany ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena io volavolana datim-pifidianana izay naroso alohan’ny fe-potoana voafaritry ny lalàmpanorenana io. Anton’izay ny lafiny teknika hampandraisana anjara mavitrika ny mpifidy hisitraka ny zony ny volavolana datim-pifidianana, tsy mialoha ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao. Hampitombo ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy izany. Eo koa ny fitsinjovana ny kandidà: raha amin’ny andro tena ratsy no hanaovana azy, mety ho sakana amin’ny enti-manana, ny fitaovana… Tsy maintsy hita kosa ny tetibola enti-manatanteraka fifidianana, tsy hatao tandrametaka fa araka ny tokony ho izy.
Mahatratra 9 906 702 na 72,88 % ny isan’ny mpifidy voarain’ny Ceni hatramin’ ny omaly. Hatramin’ny 31 mey ny fe-potoana farany fisoratana anarana eny amin’ny fokontany. Hifarana ny 10 jona ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Misy ny folo andro fikirakirana ara-kajy mirindra ny lisitry ny mpifidy, ny fanontana printy… Mbola malalaka tsara ny olom-pirenena hanao izay fisoratana anarana amin’izany.
R. Nd.