Varotra Fiara : niampy telo ny vokatra GWM eo anivon’ny CT Motors

Manaraka ny lentan’ny fivoarana eo amin’ny tontolon’ny fiarakodia ny CT Motors. Niampy telo indray ireo karazana fiara amidy ao aminy.

Mitohy ny fandraharahana fiara avy amin’ny vondrona Great Wall Motors (GWM) ataon’ny eo anivon’ny CT Motors. Fiara karazany telo anatin’ireo hika farany vokarin’ny GWM indray no azon’ny mpakafia kodiarana efatra jifaina eo anivon’ny CT Motors. Anisan’izany, ny Haval H6 GT. Miavaka amin’ny alalan’ny tanjany sy ny bikany ity fiara vaovao ity. « Miezaka mampiakatra ny lenta mihoatra ny teo aloha hatrany izahay eto anivon’ ny CT Motors », hoy ny mpa­norina ny CT Motors, Cha­mine Tahora, nandritra ny fitokanana ny trano fampirantina ny vokatra GWM etsy Andraharo, afakomaly. Izany indrindra no naha­tonga azy ireo hitsinjara ny fiara « Haval Dargo Mid­dle » eto an-toerana. Manana tanjaka 211 Ch ity fiara novokarin’ ny GWM ity. Natao ho an’ ny lalana eto an-dRenivo­hitra fa indrindra koa ireo lalana any amin’ny faritra. Ankoatr’ireo fiara roa ireo, ahitana ilay fiara marika “Tank 300” mbola vokarin’ io orinasa sinoa anisan’ny matanjaka maneran-tany io koa eo anivon’ny CT Motors. Tsy mataho-dalana, manana tanjaka hatramin’ny 227 Ch ity 4×4 ity. Hisy antoka anatin’ ny telo taona na 100 000km ahazoan’ny mpanjifa azy avokoa ireo fiara telo ireo. Marihina fa fiara novokarin’ ny GWM, notsinjarain’ny CT Motors teto Madagasi­kara voalohany ny Great Wall M4 ny taona 2012.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: