Vovonana Gasy Leo : mitaky Tetezamita roa taona hamahana ny olana

Hafa mihitsy ? Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Gasy Leo. Notebahan’izy ireo tamin’izany ny fitondrana sy ny mpanohitra.

Anisan’ny notanisain’izy ireo tamin’izany ny tsy fananan’ny fanjakana vola ho amin’ny fifidianana sy ny tsy fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny ampihimamba eo amin’ny toekarena, ny kolikoly sy ny fandrobana ny harem-pire­nena. Nohitsin’ny Gasy leo koa anefa fa mila voatsihary amin’ ny tsy maintsy hirosoana amin’ ny fifidianana ny mpanohitra, nefa izao ny fiainan’ny firenena sy ny vahoaka. “Vahaolana arosonay taorian’ny fandalinana sy famakafakana natao ny hametrahana ny fitondrana Tetezamita, roa taona. Hanan­ganana governemantan’ny fanavotam-pirenena, ka tsy olana na tsy ho ao anatiny aza izahay fa hiaraka amin’ ny vahoaka”, hoy ny filoha miara-mitantana ny Gasy Leo, Tabera Christian sy i Nam­binina H. tetsy Antaninare­nina, omaly.
Ho mpitantana ny Tetezamita

Nanterin’izy ireo fa miainga amin’ny fifampidinihan’ny hery rehetra : mpomba sy ny mpanohitra, ny fiarahamonim-pirenena, ny FFKM ary ny hery velona izany. Anjaran’ izy ireo ny manendry ny ho mpitantana ny Tetezamita eo. Efa niainana sy efa natao teto izany ho famahana olana ny fiainam-pirenena sy ny vahoaka, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.
Araka izany, ho tonga ha­traiza indray ity hevitry ny Gasy Leo ity, amin’izao efa nivoahan’ny datim-pifidianana izao ?

Synèse R.

Partager sur: