Ambony, ambany… Tsy izay akory no anaran’ilay hetsika, fa “Zaza Rap Taiza”, ilay notontosaina tamin’ny 7 hatramin’ny 10 desambra tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Hetsika tokony ho goavana indrindra, satria tsy mbola nisy nanao ka nirina hampiakatra avo ny kolontsaina an-tanàn-dehibe amin’ny ankapobeny, indrindra ny tontolon’ny hip-hop manokana.
Tsy izay anefa no nitranga, fa tsy nahomby ny hetsika… Tontosa ihany, saingy tanatin’ny korontana tanteraka, tsy nisy nanaraka ny fandaharam-potoana voalamin-dry zareo avy ao amin’ny “Kolontsaina Mainty” mialoha izany. Tsy araka ny nandrasana ny isan’ny mpijery nandritra ireo seho. Tsy nahenika ny lany ny vola avy amin’ny mpanohana kanefa tsy niomana tamin’izany rahateo ireo mpikarakara.
Vola sy fitantanana
Andro vitsivitsy lasa izay, raikitra ny fifanilihana andraikitra miaro fifanalam-baraka tanatin’ny tambajotran-tserasera, teo amin’ireo tompon’andraikitra roa voalohany fantatry ny rehetra: Fyh sy Bigga Tovo. Omaly kosa, nampiantso mpanao gazety i Fyh, nilaza fa “niala andraikitra tanteraka ny mpikarakara fototra. Nasainy nifanaraka tamin’ireo “prestataires” tetsy sy teroa ho fandaminana, kanefa tsy nanatontosa ny fampanantenany izy”. Niaiky ity ramatoa ity fa anjara asany tokoa ny fifaneraserana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra sy ny mpanakanto sasany, saingy nialany kosa ny fitantanam-bola, izay nailiny tamin’ny mpikarakara fototra.
Tetsy andaniny, namaly ny fanenjehana azy i Bigga Tovo, mpikarakara fototra: “Misy ireo tena manao izay handotoana ahy sy ny asan’ny olona maro tao anatin’ny 10 taona, satria efa nisy tamin’ny 2015 ny hetsika. Voalohany teo amin’ny tantaran’ny rap teto Madagasikara no nahitana mpanakanto vahiny maherin’ny 10 tanatin’ny 3 andro. Marina fa tsy tratra ny tanjona ary very volabe izahay, saingy tranga mpiseho anatin’ny tontolon’ny fampisehoana izany. Voaloa avokoa ny karaman’ireo mpanakanto vahiny rehetra, afa-tsy DJ iray izay efa nisy fifandaminana natao. Nisy ny tsy fietezana maromaro, saingy miezaka izahay hanonitra sy hamita ny fifanarahana rehetra… Efa fantatra hoe iza no nandrisika ilay hoe mpanakanto vahiny nanao ilay video” hoy izy.
Samy te hanadio tena ireo mpikarakara iny “Festival Zaza Rap Taiza” iny.
Zo ny Aina