50 taona aty aoriana: velona lalandava ny tarika Mahaleo

Nanohana an’i Dama sy Bekoto ny taranaky ny tarika. Tafiditra tany am-pon’ny mpankafy sy tena niainan’izy ireo ny tononkira sy ny hafatra nandritra ny fampisehoana.

50 taona! Mbola mitohy ny revy Mahaleo eto Madagasikara. Tsy lefy laza ny tarika na dia roa aza sisa ny tavela hatramin’izao. “Ny vatan-tenanay no mety ho lasa fa hijanona mandrakizay kosa ny hira sy ny tarika” hoy i Dama. Nampia­vaka ny fampisehoana nataon’ny tarika ny fanampian’ny taranaka nihira teny an-tsehatra, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Mahamasina, omaly. Anisan’ny nanohana sy na­melo-maso ny revy mahaleo ireo taranaka sy ny mpankafy. Nametrahan’ny taranaka adi­dy mavesatra i Dama sy Bekoto, tarika sisa tavela raha nanontaniana. Hanohy ny fampitan-kafatra ho an’ny mpankafy sy ny vahoaka Ma­lagasy ny tanjona. “Naha­tsapa ireo taranaka fa mila tohana amin’ny fandraisana an-tanana sy fanohizana ny tarika ka antony nandrisika azy ireo nanao izao” hoy i Dama, tarika Mahaleo.
Nanao ny hira dimy nampiavaka ny tarika tamin’ny taona 1972 i Dama sy Bekoto. Anisan’izan, Ianao sy ny Vololona. Taoriana vao nampiaka-tsehatra ireo taranaka. Nankafy sy nilatsaka tany am-pon’ny mpankafy ny fampisehoana. Efa manaiky sy mandray an’ireo taranaka niaka-tsehatra izy ireo raha oharina tamin’ny fampisehoana voalohany tao Antsahamanitra raha ny fanadihadiana natao sy ny zava-misy teny an-toerana. Voarain’ny mpankafy ireo hafatra nampitain’ny taranaka toy ny Rafahafahana nataon’i Rado, zanak’i Fafah. Teo koa ny fitsofana sodina sy sax nataon’i Bibs teny an-tsehatra.

Manankery hatramin’izao ny tononkira
Anisan’ny mampiavaka ny tarika mahaleo ny tononkira. Nanomboka ny taona 1972 hatramin’izao, mbola mipetraka sy iainan’ny firenena ary ny vahoaka Malagasy ny tantara. Anisan’izany ny manambara sy manamafy ny tolom-panafahana, tsy mbola mahaleo tena ny firenena. Efa ela be ny namoronana ny hira fa anjaran’ny olona ny mandray azy na tsia, hoy hatrany ny tarika. Nohamafisiny teny an-tsehatra fa tsy tokony iandrasana ny hafa ny fanavotana ny firenena fa isika mihitsy no mila mandray an-tanana izany.
“Misaotra anareo niaina ny tononkira fa tsy nihirahira fahatany” hoy hatrany izy. Nahatratra 22 ny hira isaky ny fizarana tamin’ity fampisehoana ity. Raha toa ka 15 sy 16 izany hatramin’izay. Maro ny hira tsy afaka am-bavan’ireo mpankafy. Toy ny meloka, jamba, neny, embona. Hita teny an-toerana avokoa ny tanora, ny olon-dehibe ary ny ankizy.
Tsy hijanona hatreto ny fampisehoana fa mbola hitohy amin’ny fanomanana ny 50 taona manaraka indray. Hika­ra­kara hetsika maro isaky ny faritra izy ireo. Omena lanja manokana ny fanaovana “co­ver” amin’izany.

Mino ( mpianatra asa)

Partager sur: