Afovoan-tany : maina ny andro anatin’ny hateloana

Ho maina ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy ao anatin’ny hateloana ankoatra ny faritra Boeny sy Sofia ary ny toerana vitsivitsy amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Hahazo orana tandrifin-drahona Analanjirofo. Manom­boka amin’ny alakamisy vao hahazo orana bebe ny eto afovoan-tany. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto amintsika ilay rivodoza fa lavitry ny morontsiraka. Ho an’ny maripana, mafana ny andro fa manodidina ny 28°C hatrany ny maripana ambony indrindra.
Ho an’ny anio, 16 ka ha­tramin’ny 27°C ny maripana eto Antananarivo. Maha­tra­tra 36°C izany ho an’i Maeva­tanàna. Hitoetra hatrany ny orana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny ary Melaky ny tapany hariva. Handrahona amin’ny ankapobeny any Menabe ary harahin’orana malefaka izany indraindray any Analanjirifo. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa.

Vonjy

Partager sur: