Anosizato Atsinanana : jiolahy misaron-tava voasambotra

Noraisim-potsiny ! Tsy afa-bela manoloana ny polisy ny jiolahy iray nanao saron-tava niaraka tamin’ny baramina omaly tamin’ny 3ora sy 30mn, teny Anosizato Atsina­nana. Fantatra tamin’ny fanazavan’ny polisy fa avy namaky trano ity jiolahy ity no nifanehatra tampoka tamin’ireo polisy CUI1 nanao fisafoana tamin’iny faritra Ano­sizato Atsi­nanana iny. Nana­marina izany rahateo koa ny filazan’ny olona teo amin’ny manodidina fa avy namaky trano teo Anosizato izy, saingy tsy nahazo na inona na inona satria henon’ny tompon-trano. Lasa nitsoaka izy ka nifanehatra tamin’ny polisy. Nilaza izy nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny polisy fa efa mpamaky trano eny Anosizato saingy izao vao tratra. Lazainy fa hadinony ny nanala ny saron-tavany izy tratra izao. Nentina nanaovana famotorana any amin’ny biraon’ny polisy ity jiolahy ity. Hatolotra ny fampanoavana kosa izy aorian’izay. Isan’ny toerana mafana amin’ny tsy fandriampahalemana eny Anosizato sy ny manodidina ka antony mahatonga ny polisy sy zandary manao izay ho afany hatrany amin’ny fanenjehana ireo jiolahy.

J.C

Partager sur: