Tafavoaka sy avotra avokoa ireo olona miisa telo voatsindrin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra teny By-Pass omaly maraina. Naresaka maraina teny By-Pass tsy lavitry ny biraon’ny polisim-pirenena.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo an-toerana tokony ho tamin’ny 07 ora. Kamiaobe iray mpitondra ranotany no tra-doza rehefa tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Vokany, voasarika tamin’izay ny andrin-jiron’ny Jirama eny an-toerana sy mpiandry taksibe miisa telo. Navesatra ilay fiarabe feno ranotany. Nifarimbona ny rehetra tamin’ny famonjena ireo tra-doza izay voatsindry tao ambany. Nanolo-tanana teny koa ny mpitandro filaminana, tao koa ireo tsara sitrapo nanome “grue” hanafainganana ny vonjy voina. Nisy tamin’ireo tra-doza tokoa mantsy no tavela tao ambanin’ilay kamiao, tao koa ireo voahitsaky ny kodiarana. Tamin’izay indrindra voatery noesorina ny rivotra tamin’ireo kodiarana nahafahana nangady sy namoaka ireo olona. Taorian’ izay, tafavoaka izy telo saingy naratra mafy ka nalefa vonjimaika eny amin’ny hôpitaly. Potika tanteraka ihany koa ny lohan’ilay fiarabe. Taorian’io noentina teny amin’ny biraon’ny polisy ny mpamilin’ny fiara hisorohana ny fitsaram-bahoaka.
Mamo nandeha mafy
Ankoatra izay, nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona koa ny asabotsy teo teny amin’ny kaominina Talata Volonondry. Tra-doza tamin’izany ny moto iray avy any Anjozorobe saika hihazo ny renivohitra. Tokony ho tamin’ny 06 ora hariva teo, nandeha mafy ilay moto nanao taingin-droa. Nalama sady niolana anefa ny lalana nony tonga teo Ambohimahavelona tsy lavitry ny “radio Nederland”. Vokany, nianjera mafy ary samy nipitika avokoa izy roa lahy. Ilay mpamily izany nipoaka mafy tamina fiara nijanona tsy lavitra teo. Maty tsy drano izy ary nosokirina mihitsy vao tafavoaka tao. Ilay namany kosa nipitika lavitra teny amin’ny arabe. Naratra mafy ity farany ka nalefa vonjimaika teny amin’ny hopitalin’ Anosiavaratra. Avy eo, nafindra eny amin’ny HJRA izy manohy ny fitsaboana.
Henintsoa Hani