Mbola misedra olana ny famokarana chocolat eto Madagasikara, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Edenia Rajerison Achille, raha nanontaniana, afakomaly. Nilaza izy fa tsy ampy ny fitaovana enti-mamokatra sy manodina ny chocolat. “Tsy maintsy manafatra sy mividy avy any ivelany”, hoy izy. Nambarany fa tsy ampy vola sy fitaovana enti-mamokatra koa ny tantsaha. Tsy mahazo tombony amin’ny vokatra izy ireo. Ny mpanangom-bokatra sy mpanondrana any ivelany no mibaiko ny vidim-bokatra.
Ankoatr’izay, mbola vitsy ny mpampianatra malagasy mahafehy io taranja io raha ny eto Madagasikara. Hampitomboina ny sehatry ny fampianarana ho an’ny tantsaha sy ireo liana amin’ny famokarana chocolat raha ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Edenia. “Tohanana ara-bola sy fitaovana ireo tantsaha satria antoka mampiroboro io taranja io izany”, hoy izy nanamafy.
Anisan’ny manana sekoly manofana amin’ny fanamboarana chocolat ny Edenia. Efa nahatratra 100 isa ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny sekoly hatramin’izao. “Betsaka ireo liana hianatra fa sakana ho azy ireo ny tsy fananan’ny malagasy vola”, hoy izy.
Mino (mpianatra asa)