COVID 19 : iray maty, fito ny tranga vaovao

Nisy olona iray namoy ny ainy vokatry ny Covid-19 ny herinandron’ny 4 ka hatramin’ny 10 febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, omaly. Azo avy amin’ny fitiliana mahatratra 362 ity vokatra ity, olona fito vaovao koa no voatily fa mitondra ny tsimokaretina tao anatin’ny herinandro. Roa ny marary anatin’ny tranga misy fahasarotana. Izay indray vao nandavo olona ny valanaretina tao anatin’ny herinandro maromaro. Ho an’ny tranga vaovao fito, eto Analamanga hatrany ny maro anisa indrindra, misy efatra. Samy nahitana tranga iray avy tany Boeny, Diana ary Menabe. Nanom­boka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 10 febroary lasa teo, 67 849 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina, 66 423 sitrana ary 1421 namoy ny ainy.
Amin’izao fotoana izao, maro ny olona manatona mpi­tsabo voan’ny gripa mahery. Miroso amin’ny fitsaboana avy hatrany ny tomponandraikitra fa tsy manao fitiliana intsony isorohana ny fahasarotana. Eny amin’ny fiarahamonina, tsy misy manaja intsony ny fepetra sakana na any an-dakilasy aza. Tsy voatery mametraka ny arovava orona ny mpianatra fa manana safidy.

Vonjy

Partager sur: