“Be dia be ny zavatra takin’ny mpanohitra amin’izao. Ohatra amin’izany ny fidirana ao anatin’ny rafitra fitantanana fifidianana. Tsy misy mandà an’izay, saingy mila fantarina fa tany misy lalàna sy tan-dalàna i Madagasikara”, hoy ny depiote IRD, Ratafika, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany hiditra ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana amin’izao fotoana izao. Misy ny rijanteny mifehy ny Ceni. Inona avy ireo fepetra takina hahazoana miditra ao anatin’izany?
Tsy misy ny manakana na mpanohitra na mpomba ny fitondrana hiditra amin’izay fitantanana fifidianana izay. Na izany aza, misy, ohatra, ny hoe mahazo miditra ao anatin’ny rafitra ny antoko iray, raha manana kandidà. Raha manana kandidà hirotsa-kofidina izany ny eo anivon’ny fanoherana na ny mpomba ny fitondrana na kandidà mahaleo tena, afa-mampiditra solontena eo anivon’ny Ceni. Nefa aoka ho hita ary efa nankatoavina ny maha kandidà azy amin’ny seha-pifidianana hatrehina amin’izany. Indraindray odian’ny sasany tsy hita izay, fa entina bontolo fotsiny ny hoe fidirana ao amin’ny Ceni. “Misy rafitra sy lalàna izay, aoka hohajaina”, hoy izy.
R. Nd.