Nirefodrefotra indray ny poabasy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy teny 67ha, ny asabotsy alina teo. Nanomboka hatrany Ampasika ny fifanenjehana ka tsy nifarana raha tsy teny 67ha, toerana nahavoatifitra ity jiolahy raindahiny ity. Polisy nanao fanamiana sivily no nifanehatra tamina andian-jiolahy nandeha moto teny Ampasika. Voalaza fa teo am-piomankomanana hanafika ry zalahy no nifanehitra tampoka tamin’ny polisy. Raikitra teo ny fifanenjehana ka maty voatifitra ny jiolahy iray niaraka tamin’ny antsy lava raha tafaporitsaka kosa ny namany iray hafa niaraka tamin’ny moto. Nohamafisin’ny polisy hatrany fa isan’ireo jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana io maty voatifitra io. Maro ireo Cash point efa notafihiny sy ireo namany. Ao anatina tambajotran-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika koa izy. Efa eo am-pelatanan’ny polisy avokoa ny momba ity jiolahy ity ary efa narahina hatry ny ela izy.
J.C