Vaindohan-draharaha sy laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana amin’izao ny sosialim-bahoaka. Fandriampahalemana no voalohany sy lehibe ary maika indrindra amin’izany? Mby amin’ny hoe tsy misy fampandrosoana vanona, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy ny tsy fisian’ny asan-dahalo sy asan-jiolahy ihany no hoe fandriampahalemana amin’izany, fa eo indrindra koa izay anton’izany.
Azo an-tsaina amin’izay heverina ho anisan’ny fototra mahatonga ny tsy fandriampahalemana, ohatra, ny fahantrana lalina sy maharitra. Aiza ho aiza ny ady amin’ny fahantrana amin’ity hoe sosialim-bahoaka? Ny tsy fananana ny enti-miaina andavanandro, ny tsy fisian’asa, ny tsy fahampian’ny fiarovana amin’ny famokarana sy fitadiavana atao… Efa sy afaky ny fizarana fanampiana fotsiny ve ny raharaha?
Tsy ho vita mandavantaona ny fanampiana, tsy hahahenika ny rehetra, tsy hahafa-po rahoviana… Tsy maintsy atrehina ny famoronana asa mahavelona, ny fampandraisana anjara ny vahoaka amin’ny fampandrosoana… Ahoana, ohatra, no androsoana, raha lany andro amin’ny fantsakana rano lavitra sy ela ny vehivavy? Na tsy afa-miasa noho ny fahatapahan’ny herinaratra lava ny mpiasa an-drenivohitra…
Ahoana koa, ohatra, no hisian’ny fandriampahalemana sy filaminan-tsaina amin’ny ady tany lava noho ny fanjakan’ny kolikoly? Toy izany ny amin’ny raharaham-pitsarana tsy atokisana fitsarana, ny fitsaboan-tena lavitra sy manahirana raha marary, ny famoaham-bokatra amin’ny lalana ratsy… Tsy hita hotanisaina sy hovisavisaina ny hoe sosialim-bahoaka amin’izany rehetra izany? Marolafy, mifampiankina…
Na inona na inona ataon’ny fitondram-panjakana, ho an’ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisiany sy antoky ny asany. Nahoana no izao vao hoe ifantohana sy ikoropahana ny sosialiam-bahoaka? Na tsy niainga tamin’ny hetaheham-bahoaka izay (n)atao, na tsy mbola isitrahany inona na tsy mipaka amin’ny fiainany andavanandro… Izay no tsy mampilamina sy tsy mampandry fahalemana? Tsy mampandroso ihany koa…
Tsy misy koa fandriampahalemana amin’izany rehetra izany, raha tsy misy fampandrosoana sy fandrosoana? Marolafy heverina ho samy zava-dehibe sy maika avokoa ny amin’izay fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Mba handriana fahalemana ahay farafaharatsiny?
R. Nd.