Filoha Rajoelina Andry: tokantrano 2570 hisitraka vola 120 000 Ar

Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny.

Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Ma­rovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny tanimbary tao an-toerana. Nitondra masomboly ho an’ny tantsaha hoentina hanarenana ny vokatra izay rava ny tenany. Ankoatra izay, notolorana fanampiana manokana ireo fikambanam-behivavy miisa 56 sy ny olona marefo : zokiolona sy vehivavy bevohoka. Hahafahan’ireo ben’ny Tanàna manakaiky bebe kokoa ny vahoaka, no­mena moto ihany koa izy rehetra ao amin’ny distri­kan’Ambato Boeny.
Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry fa tokantrano 2570 no hisitraka lelavola 120.000 Ar iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Efa miatrana ao Ambato Boeny koa ny « clinique mobile » izay manome fitsaboana sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo rehetra mila izany.
Namaly ny fangatahan’ny mponina, mikasika ny tsy fandriampahalemana ao an-toerana ny filoha. Handefa miaramila maro hampandry fahalemana ny fitondram-panjakana. Efa an-dalam-pahavitana ny biraon’ny kaomisaria ao an-toerana. Homena fampitaovana ny polisy hahafahan’izy ireo hanatanteraka ny asany.

Vonjy

Partager sur: