Filoha teo aloha Rajaonarimampianina : “Tonga aho hifampiresaka sy hifampihaino”

Nigadona teny Ivato ny asabotsy teo ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Notsiahiviny tetsy amin’ny foiben-toeran’ny HVM, tetsy Andraharo, tamin’ny la­hateniny fa nanaja ny sata Repoblikanina sy ny fenitra demokratika ny tenany raha niala teto an-tanindrazana, tany amin’ny efa-taona lasa. Navela hiasa an-kalalahana ny mpandimby ka ho tompon’andraikitra amin’ny miseho eo izy, araka ny nambarany. Niaiky anefa ny tenany fa tsy mora ny fanapahan-kevitra saingy nentanin’ny fitiavan-tanindrazana ka izao niverina izao. “Mila mifampiresaka sy mifampihaino isika. Hitondra ny feo hampiray antsika rehetra izahay. Hitondra ny hery hampitambarana satria nahazo traikefa ary manana ny azo ifampizarana amintsika. Naka lesona tamin’ny teo aloha koa…”, hoy izy. Nanteriny fa fotoana ihainoana ny hetahetam-bahoaka any amin’ny faritra aloha izao. Hamantatra ny filan’ny mponina na efa misy fantatra aza. Tsy mbola filazana ny hirotsahana hofidiana anefa izao. “Hitondra hevitra hanarenana ny firenena isika ho amin’ny fanantenana”, hoy ihany izy.
Niantrana vao maraina ny Emmo/Reg

Nialoha izany, nofoanana tamin’ny fotoana farany ny fikasan’ny HVM ho amin’ny fitsenana makotrokotroka to­kony ho natao teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Efa rakotra Emmo/Reg vao maraina, teny an-toerana sy ny manodidina. Tsy afa-niditra amin’ny toerana tokony ho nitsenana ity filoha teo aloha ity, ireo mpiara-dia sasany araka ny baiko azon’ny mpitandro filaminana. “Nanara-dalàna izahay ary ity ny taratasy fahazoan-dalana manamarina izany. Tsy tonga teto izahay raha tsy nomena alalana fa ianareo no tena manakorontana… “, hoy ny mpandrindra ny HVM, Rakotovao Rivo, nanoloana ny Em­mo/Reg. Vitsivitsy ihany ireo afaka tonga teny Ivato fa voatery niandry taty Andraharo ireo mpomba ny HVM.
Tsiahivina fa anisan’ny teny an-toerana ny solontena avy amin’ny mpanohitra, toy ny RMDM sy ny Tim ary ny hafa. Teo koa ireo minisitra teo aloha, niara-dia tamin’ny fitondrana HVM.

Synèse R.

Partager sur: