Fitantanana ny diosezin i Mahajanga: nanome lesona momba ny fihavanana ny eveka Zygmunt

Napetraka eo amin’ny fiketrahana maha evekan’i Mahajanga azy ny Mgr Zygmunt Robasckiewicz. Notanterahina tao amin’ny katedralin’i Mahajanga izany, omaly. Nivoitra tamin’ny teny fampianarany ny momba ny fihavanana sy ny fifandraisana.

Niainga amin’ny soratra Masina ny toriteniny : “… Mandehana mihavana amin’ny namanao vao miverina manolotra ny fanatitra…”. Nambarany fa ilaina ny fihavanana sy ny fifandraisana ary fifanajana. Tsy maintsy miombona sy miaraka ary kolokoloina izany. Niaiky anefa ny tenany fa manahirana sy mavesatra izany nefa tsy maintsy hatomboka mba ho tsara kokoa. Tsy hisy fifandraisana amin’ Andriamanitra raha tsy misy fihavanan sy fifandraisana eo amin’ny samy olombelona, araka ny nambarany. “Tsy misy dikany ary tsy mahomby isika raha tsy mihavana. Mitodiha amin’ Andria­ma­nitra…. Tsy mahomby ny vavaka ataontsika satria ny fomba sy ny toetra ary ny ataontsika nanimba sy nanapotika. Tena mampijaly ny hafa”, hoy izy. Notsiahiviny fa mananatra ny evanjely mba hibebaka sy hanavao ny fiainana mba hampazava ny fihavanana sy fifandraisana ary ny fanajana… Mitaky herim-po izany satria tsy mora ka ankaherezina isika mba ho tsara ny fiaraha-monina sy ny miaraka amin’Andriamanitra.

Hitan’ny eveka ny fahorian’ ny vahoaka

Nanambara kosa ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka, tamin’ny lahateniny fa nahitana ny tranga eny ifotony ny hetsika tahaka izao, amin’ ny fandehanan’izy ireo eny an-dalana. “Iarahan’ireo eve­ka mahitana ny zava-misy. Tsapa tamin’ny fahitana ny vahoaka ny fahoriana sy ny fijaliana iainan’izy ireny”, hoy izy. Etsy andaniny, anisan’ny niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry ka nanambara tamin’ny anjara lahateniny fa ilaina ny fiaraha-mientana sy firaisam-po amin’izao andro lehibe sady manan-tantara izao. Nan­teriny fa tampon’andraikitra amin’ny asa hanasoavana ny mpiara-belona sy ny tanindrazana ny rehetra. Nirary soa ny fiangonana amin’ny ezaka ataony eo amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny filoha. “Manohana ny ezaka ataonareo ny fanjakana. Vahoaka iray ihany isika”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa banga ny toeran’ny evekan’i Mahajanga tao anatin’ny efa-taona noho ny fodiamandrin’ny eveka, Rakotondrajao Victor Solo. Niatrika sy nanotrona ny sorona Masina ny “Nonce aposotolique”, ny Mgr Thomasz Grysa, ny kardinaly Tsara­hazana.

Synèse R.

Partager sur: