Tantsaha mpamboly maro velon-taraina noho ny vokatra tsy tafavoaka. Isan’ireny ny karazana legioma sy voankazo maro. Mazoto ny olona mamboly fa vitsy ny mpandray azy ka ariana fotsiny rehefa tsy lany, na omena ny kisoa. Mpamboly iray izao nilaza fa fahazarana fotsiny sisa ny mamboly, zara raha misy hoanina fa ankoatra izay very fotsiny ny vokatra. Inona no atao ? Mety mahatratra 70 hatramin’ny 80 kg,12 hatramin’ny 40 % isan-kerinandro.
10 taona lasa io olona nilaza io fa izy anisan’ny mpamboly tao anatin’ny kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana nisy mpandray ny vokany, toy ny karaoty, laisoa, voatabia, namatsy an’i Toamasina hatrany Sainte Marie, « saingy amin’izao fotoana tsy misy intsony izany noho ny faharatsian-dalana, satria mora simba ny vokatra », hoy izy. « Mijanona herinandro ny vokatra raha ela indrindra dia simba », hoy ihany izy.
Vahaolona narosony, toy ny mpiompy tantely, ny mba hametrahana milina manodina ny vokatry ny fambolena sy fiompiana ihany koa ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana, satria tsy ny rehetra akory no mpiompy tantely. Raha araka izay vahaolona narosony izay dia tokony miara-miasa akaiky mandrindra izay tokony hatao ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy fanjifana.
Nandritra ny fanoloran’ny minisitera misahana ny indostria ny milina manodina tantely, notsiahivin’ny depiote ao an-toerana, Andriamiasasoa Doda, ny fisian’ny orinasa teo aloha mandray ronono sy manodina fromazy. Araka ny valinten’ny minisitra Razafindravahy Edgard, an’ny olon-tokana ireny orinasa ireny fa tsy an’ny an’ny vahoaka …
Ndrina