Nisandoka ho kaomisera: lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora

Nidoboka am-ponja eny Antanimora ny zoma teo ny lehilahy iray nisandoka ho kaomisera. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Am­bo­hijatovo no nahasambotra ity jiolahy ity. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana ary fisandohana andraikitra izy. Milaza amin’ny olona solokiany ity lehilahy ity fa hoe kaomisera miasa ao amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava na “brigade criminelle” Anosy, sakelika faha-4. Angalany vola an-tapitrisany ireo olona solokiany mba hanavotana ireo manana raharaha heloka bevava, kanjo tsy hita intsony aorian’izay. Maro ireo efa tratrany ary misy ireo olona sasany hanaovany fanamparam-pahefana noho izany andraikitra lazainy fa sahaniny izany. Rehefa nandeha anefa ny fikarohana, fantatra fa mpitondra taxi ity lehilahy ity fa tsy kaomisera. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Natolotra ny fampanoavana izy taorian’ny famotorana ka naiditra am-ponja.

Jean Claude

Partager sur: