Isan-taona, vondron’olona maro, fikambanana, sns, mandeha mamboly hazo, izay saika hatao mandritra ny fotoam-pahavaratra, eo anelanelan’ny volana novambra ka hatramin’ny marsa. Mazava ny tanjona, hamerina indray ny ala eto amin’ny Nosy, noho izany tsy tokony hazo « volivolena fotsiny amin’izao nefa tsy haniry ».
Ny fambolen-kazo hatao hamerina ny zava-boahary indray, natao hamerenana ireo potika sy may. Atao hanampy ny fiainan’ny rehetra andavandro, ohatra ny amin’ny hazo ilaina ho an’ny fanamboarana. Manohana ny fizahantany ary atao hampidi-bola ho an’ny fokonolona eny ifotony.
Koa raha tsy mahomby ny fambolen-kazo, mety ho foana tanteraka ny ala ato anatin’ny 10 taona ho avy,
Mety ho 90 000 ha isan-taona ny ala very ato anatin’ny roa taona farany. Mahalana ny orana, satria tsy ampy ny ala, mihena hatrany ny rano sotroina madio sy ampiasaina, ary efa hita izany amin’izao fotoana izao.
Ny biby sy ny zava-boahary maro ho foana. Araka ny fanadihadiana natao, raha foana ireo biby ireo, aman-jato taona indray vao tafaverina. Ny gidro fotsiny, ohatra, 98 % tandindonin-doza. Mitombo ny rivotra maloto, satria tsy ampy ny hazo mitroka gazy CO2, avy eo miha simba ny tany .
Araka ny nambaran’ny FAO, ny ala no mitahiry « carbone » be indrindra. Rehefa may ny ala na potika, mivoaka daholo ireny « carbone » ireny ary lasa manimba ny tontolo iainana. Anisan’ny firenena 20 atahorana amin’izany i Madagasikara,ho tongavan’ireny andro ratsy matetika ireny, tondra-drano, rivodoza, haintany.
Koa raha mitohy ny fambolen-kazo, hoy ny WWF, tombontsoa lehibe ho antsika izany raha misy fanaraha-maso ara-teknika.
Aiza ho aiza ny voly hazo hatramin’izay ?
Tsy hanaovana fisehosehoana sy fitsangatsanganana fotsiny.72 000 ha novolena tamin’ny 2021, firy isan-jato no maniry amin’izao 2023 izao ? Omena ny tontolo sahaza azy ny biby sy ny zava-boahary, firy no tafaverina ? Tokony ho ampy ny rano sy hadio ny rivotra, mihena ny aretina, izay marina ve ny zava-misy ? Ary tokony hamokatra betsaka ny tany, hahatsara ny fari-piainan’ny olona sy miaro amin’ny loza isankarazany, tena hita ve izany ?
Miantraika amin’ny firenentsika sy ny vahoaka ny fahavoazana, koa aoka hamoronan-dalàna ny fambolen-kazo eto Madagasikara.
Ndrina