Antalaha : ankizivavikely iray maty natelin’ny rano

Fialan-tsasatra no natao saingy faty no noentina nody. Ankizivavikely iray vao 12 taona, mpianatry ny sekoly katolika iray ao Sambava no maty natelin’ny ranomasina. Ny alahady, nisafidy ny haka rivo-dranomasina ireo mpiara-monina aminy ka nitondra ankizy miisa enina. Isan’izany i Linda, monina ao Am­bo­disatrana II. Raikitra ary fa any amin’ny tora-pasik’An­tsiarabato no haleha. Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro teo, tonga tampoka ny loza. Noentin’ny rano avokoa ireo zaza nilomano rehetra. Niantso vonjy ny fokonolona, nampandrenesina ny mpitandro filaminana. Ni­fa­mpitadiavana izy enina mianadahy ka avotra avokoa ny dimy. Ny roa tamin’ireo efa sempotry ny rano raha tsy hita kosa i Liada. Tokony ho ta­min’ny 04ora sy sasany vao hita izy saingy efa tsy nisy aina intsony. Tany amin’ny faritra Andranomena-Am­pohibe no nahitana ny vata-mangatsiakany.

Henintsoa H.

Partager sur: