Antanandava-Toamasina : lehilahy novonoina rehefa tsy nety hamaky trano

Olona telo voasambotra voarohirohy tamina vono olona nitranga tao Antanandava- Toamasina, ny alin’ny 28 ja­noary teo. Nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny Hopi­talibe ny vatana mangatsiakan’ i Lucien na Dovis, monina ao Mangarano, tamin’io andro io. Nivoaka hamonjy irony trano fanaovana “karaoké” irony izy tamin’ny alin’ny 28 janoary teo. Nitondra vola dimy alina hisotrosotroana miaraka amin’ ny namany i Dovis. Roa lahy ireo namany ireo. Naterin’ny iray tamin’ireo niaraka taminy ireo tany amin’ny tranom-paty i Dovis rehefa namoy ny ainy. Nampahafantatra tamin’ny renim-pianakaviana nitaiza io lehilahy namoy ny ainy io ireo namany ireo taorian’izay. “Ma­rary mafy tratry ny lozam-pifamoivoizana i Dovis ka na­terina any amin’ny hopitaly”, hoy ireo namany tamin’ilay renim-pianakaviana. Kinanjo, vatana mangatsiaka efa tsy ni­sy aina intsony no novantanin’ ireo fianakaviana tao amin’ny hopitaly. Noho ny fahasimban’ny razana, nalevin’ireo akaiky azy tao Toamasina ny vatana mangatsiakan’ity namoy ny ainy ity.

Nitsoaka nihazo ny Renivohitra
Taorian’ny fandevenana, nametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty. Voasambotra tamin’izany ny iray tamin’ireo namany niaraka nisotrosotro taminy. Nanao fanadihadiana lalina ny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Efa nandositra nihazo an’Antananarivo ny lehilahy iray hafa niaraka ta­min’izy ireo. Niroso tamin’ny fisamborana ny polisy ka tra-tehaka io lehilahy faharoa namany io. Nikasa hamaky ny tranon’ny mpampiasa an’i Dovis izy mirahalahy voasambotra ireto. Tsy nanaiky hiray tsikombakomba tamin’ireo namany ireo anefa i Dovis ka antony namonoan’izy ireo azy. Nolazaina ho voadonan’ny Bajaj io lehilahy namoy ny ainy io nentina nanafenana ny vono natao azy. Tsikaritra tao anatin’ny fanadihadiana avokoa izany ka izao niafara ta­min’ny fihazonana ireo heverina ho nahavanon-doza izao.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: